Raha ianao no lasa (Nalison Randrianaivo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ianao no lasa
Izaho tsy handatsa
Sitrakao no atao
Safidinao ny handao
Ka mahaleova mahalasana
F'izaho koa tsy hitana

Tsy noterena ianao nitia ahy
Tsy notambazana ranadahy
Ka ny tianao no toavina
Dia etsy mahitĂ  izay tadiavina
Malalaka be ny lalana
Mivoha koa ny varavarana

Raha ianao no lasa
Vetivety dia voafafa
Satria tsy ianao irery
No olona tokan-drery
Ka ndeha re mandehana
Raha toa ianao tsy tamana

Tohizo ny lalan-kofidiana
Dia mahazoa izay hiriana
Fa raha ianao no lasa
Dia tsy hisy hasolo hafa?
Ndao fa lalana izato izy
Ny fitia tsy kilalaon'ankizy
--------
Rohy:
1587 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162