Rahampitsoa (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahaterahan'i Jesosy kristy

Ora sisa no isaina
dia higadona amin'izay
ilay andro vao maraina
hankalazana anao ry Ray

toa efa tsindrin-daona
efa te hankalaza
ilay andro iray sy taona
nahaterahan'ilay zaza

rapitso ny tsingerin-taona
nahaterahan'i Jesoa
izay faly te hiaona
amin'ireo mpino soa

tongava malaky ary
ianao ry andro malaza
ny mpino ireo miandry
ny hampintsoa hankalaza

tsy hatory androany
fa hiandry ilay rahampintsoa
ilay andro tena mamy
fa andro ilay tompo
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana - Vavaka
783 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113