Rahoviana - Nalison Randrianaivo
Azo vakiana?
Rahoviana
Fotoana vitsy monja
No nahalalako anao
Eny niarahan-tsika
Ny mamy toa tantely
Ny hafanana ny fitia
Saingy vetively ihany
Dia nifarana anefa izany
Satria...
Ny ranomaso vao maraina
No nirotsaka tsy tana
Ny alahelo hila tsy ho tanty
Saingy atao ahoana moa?
Tsisy azoko atao
Fa hifandao isika roa
Satria andeha hody ianao
Tsy nampoiziko akory
Ny alina aho tsy natory
Ny tontolo androko rehetra
Dia nanjombona daholo
Vonton-tsento sy alahelo
Mangidy tsy hay telemo
Ilay veloma nifanaovana
Dia ilay horoka nifandaozana
Dia mitoetra foana an-tsaiko
Saingy tsy ampy ny fotoana
Dia tsy nisy mba hifandraisana
Rahoviana indray vao hiaona?
Hamita ny dina izay niraisana
Saingy...
Tsy voavaliny akory
Dia lasa izy nandao
Ny foko nahatsiaro ory
Satria dia lasa ianao
Rahoviana indray ary
Irony fiarahana mamy
Sy irony voady natao
Rahoviana re izany
Sa ho nofinofy sisa ihany?
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Nalison Randrianaivo

Nampiditra : nalsonrazakariasa2015
Daty : 22/09/2018
Mpamangy : 586
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
AtsaharoTsy misy mahavita tena
Tena fitiavana.
I Neny
Ny Zanako.
Takariva amoron-drano
Sakaiza manody.
Mahalalà tsy tiana
Tamberim-pitia
Fitiavan'i Neny