Ririnina, lohantaona, fahavaratra (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ririnina, lohantaona, fahavaratra

mangatsiaka mamanala
ny andron'ny ririnina
hirotsahan'ny fanala
miraikitra amin'ny vilona

mandoro mahamay
ny andro lohantaona
toa hila hitsovaka izahay
amin'ity andro manasara-taona

ny kotroka sy ny varatra
no injay mirefo-drefotra
amin'ity andro fahavaratra
havandra mitefotefoka
--------
Rohy:
996 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114