Tamin'ny 29mars1947 (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamin'ny 29mars1947

feom-basy foana re no re
izay aleha rehetra rehetra
kiakika ny olona be dia be
antso vonjy tsy misy fetra

ireo malagasy tamin'izany
mba niangavy, nitomany
nefa toa tsy noraraina
fa vao maika nampijaliana

ny karavasin'ireo senegaly
nampiendakana, namparary
ny lamosina avy aoriana
izany re ka tena fijaliana

tsy nananan'ireo hantra
ireo malagasy efa nahantra
tratrany tsindry hazolena
ontsa ny fo mahonena

fa toa fanjakan'ny baroa
no niainana tamin'izany
amanalina fa tsy roa
ny malagasy maty tany
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - Politika - Tanindrazana
884 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163