Mpanangana fa tsy mpandrava (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpanagana fa tsy mpandrava

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana
Aza manaiky terena sy tambazana
Aza sodoky izay vola tsy haharitra
Fa ny tany mandroso no mahafinaritra

Ianao mantsy mihevitra fa ho tsaroany?
Izy angaha raha lany ho hitanao intsony
Hamerina ny vola sy hameno ny paosiny
Ny hany an-dohany, mitobaka ny saosiny

Mila olona manam-panahy ny firenena
Mahay mitondra sy manam-pahendrena
Dia handroso ity nosy mamin-tsika ity
Koa ndeha ary isika hanambatra fitia

Manana safidy malalaka tokoa Ianao
Koa saino tsara aloha, dinio izay atao
Koa samia ary mba samy handinika
Na ianao mpitondra na isika madinika

Hanavotra an'i madagasikara no tanjona
Mivoria ary isika koa samia mihangona
Hentano ny havana, ny namana hifidy
Satria io no vahaolana sy fanalahidy

Ka hanangana indray isika fa tsy handrava
Dia tokana ny safidy angamba efa mazava
Efa any aminy mantsy ny fanalahidy
Koa ndeha re tohano mandehana mba mifidy

Tiako I Madagasikara
--------
Rohy:
939 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117