Tiako ianao kanefa (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao kanefa
tsy azon-tsika atao
ny miaraka amin'izao

tiako ianao kanefa
tsy azo tanterahina
fa izy no mibahana

tiako ianao kanefa
ny foko niantefa
tany am-pony tany
ny anay raikimpo hatrany

tiako ianao kanefa
tsy ho anjara ny amintsika
mba tsy hisian'ny disadisa
dia aleo tsy mampandry adrisa

tiako ianao kanefa
izaho no diso fiantefa
tany aminao tany
izay babonao hatrany
--------
Rohy:
1660 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117