Tokim-pitiavana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tokim-pitiavana

tiako ianao, tsy foiko
raha alavitra ahy antsoiko
raha anilako ampofoko
raha manina ahy ventsoiko
raha marary ianao tsaboiko

raha tomany ianao hampanginiko
raha mangatsiaka ianao fihiniko
raha korontan-tsaina ianao halamiko
raha akaiky ahy ianao banjiniko
raha any ho any ianao laliniko

raha maditra ianao zakaiko
raha mankahala ianao lalaiko
raha mitoetra eto ianao hajaiko
amiko ianao silaky ny aiko

raha eny andalana ianao tantanako
raha marary ianao fahanako
fa ianao no mba fananako

amiko ianao voalohany
amin-javatra rehetra atao
ianao no filohany
ao am-poko ao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
17276 6
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156