Tsy aleo ve mifankatia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mila ady foana ianao
mila vaniny indray indray
entin'ity fo kelinao
nefa avy eo anambitamby ahy indray

tsy aleo ve mifankatia
tsy aleo ve miray fo
mba tsy hisian'ny mania
andao hatambatra re ny fo

marina tokoa fa hoe
tsy mifankatia raha tsy miady
fa toa lasa lava re
isan'andro izao dia miady

ka sao hitarika fisarahana
raha izany foana no mibahana
ka atsaharo amin'izay
mba hisy ilay mandrakizay
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1327 6
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126