Voaloham-pitia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voaloham-pitia

Sarotra hadinoina,
Tena sarotra soloina
Tsaroana lalan-dava,
Ireo endrika amin-tava
Dia mirotsaka tomany,
Indrisy tamin'izany

Ilay voaloham-pitia,
Nantenaina ho doria
No indro fa nandratra,
Ny fitiavako lalim-paka

Voatery ho singan-drery,
Tsy manadino velively
Fa hiezaka ny hanadino,
Ny saina io tsy mino

Satry re ho izy ihany,
Fa mamy ka mamy
Ireo andro niarahana,
Indrisy fa fisarahana
No mba niafarany,
Ka hanadino ny anarany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2480 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122