FITIA VOASEDRA (Naly)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sendrasendra angamba
‘lay masontsika nifanena
sendrasendra ihany koa
ny tànantsika nifanatona,

dia nihaona ‘zaho sy ianao
niresaka nifampitàntana
nifamboraka tam-po
no nahatonga hifanatona

tsy nafeniko anao,
zay rehetra tato anatiko,
fa naborako daholo,
na ny mora na ny sarotra!

Dia nitantara koa ianao,
‘zay efa nolàlovana
Na tany maina, na malama
Hitanao sy nizorana

Ny làlana novinaky
hoy aho no samihafa!
Fa na sedra na toloko
toa nandia isika, niharitra!

Dia miaraka eny isika,
tsy nisy ny an-teritery!
Fa fitiavana misisika
ny fontsika ombieny ombieny!

Nampiraisin’ny fitia
tena matotra tsy fitaka
Fa volamena tena izy
na rako-bovoka aza mihiratra

Tena tia moa izany,
tena fitia tsy nambolena
Fa nomen’ilay Nahary,
ka mila koloina tsy ho rendrika

Satria maro fahavalo
mitady hanimba sy hamotika
‘lay Ianao na ‘lay Izaho
hazainy ho potika ho fongotra!

Tsy hanaiky anefa aho,
ianao koa hiady hatrany
Hiady isika, tsy hanaiky
ny ho rendrika satria!

Ao ‘lay Ray be Fitia
vonona hiara-dia!
Raha mila hiondrika aho ‘ndraindray ,
mila anao mba hampitràka!

Raha torovana ianao,
‘zaho eto hiara-hizaka!
Na tsy ho Iray aza isika!
Fa zarain’ny tokantrano!

Mino aho fa ny fontsika
tena iray fa tsy angano
Hiara-belona fitia
eto an-tany fandàlovana

Tsy hifandratra sanatria,
fa hifanasoa sy hifankatia
‘zay re no tiako hambara,
ho anao ry sombin’aina

Satria voasedra ilay Fitia
raha tiana hiorina ho doria!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1890 0
Hevitra mandeha
zakilinina ( 02/11/2005 11:44)
An-dàlana fahefatra : nifanatona angamba no tianao lazaina fa tsy nifanantona.
Ny manantona mantsy dia ilazana zavatra akorozaroza.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Naly
Nampiditra : bnoty
Daty : 27/10/2005 13:35
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139