Malalan'i Setry - Nantto
Azo vakiana?
Ny tiana tsy mahalavi-tany
Na dia any lavitra any
Na lavitra aza Indonesie
I Hollande tsy akaiky aki!
Na mifanalavitra aza isika
Ny fitiavana no mihika
Mandefa antso avy lavitra
Mampita hafatra hanavotra
Mifanalavitra Malala sy Setry
Fa ny fitiavana tsy miletsy
Na mikoro aza ny tontolo
Ny fitiany tsy bobongolo
Ny toerana no mampisaraka
Ny fony dia mifanaraka
Mitempo ilay fitiavana
Nahorina, hampihavana
Ka rehefa tonga ‘lay fotoana
Izy roa tsy maintsy mihaona
Hanorina ny ho avy
Hanangana ny azy
Mombamomba
Mpanoratra : Nantto

Nampiditra : nantto
Daty : 29/12/2009
Mpamangy : 1458
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Ny MasoandroAmitié amoureuse
Ry Zanako vavy
Ny teny
Remembering
Ny Ankohonako
Fanorenana
Ny ho avy
Dindona
Change