Ny teny (Nantto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny taniko, ny teniko
Iray ‘reo tsy mba afeniko
Tokonana mamaritra
Tokontany mamatotra

Fototra, namototra
Kofehy nanolotra
Ny fisiana ho amy molotra
Ka zovy no hamotsotra

Andry hiankinana, vato fandiavana
Toerana hanankinana, tsy handavana
Ny taniko no misy, izaho no nampisy
Ny teniko no miaina, izaho no tsy malaina

Aina ho an’ny tena,
Ny teny raha omena
Lanja tsy mialon-jafy,
Ho an’ny zanaka sy zafy

Tehirizo ho lova,
Ho maro mpandova
Ny teninao ho teniko
Ny taninao hareniko
--------
Rohy:
1770 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nantto
Nampiditra : nantto
Daty : 13/01/2010 12:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114