NY ZANAKO (naritsimba)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ny zanako
Hany mba fananako
Nomen’ny Ray ahy
Saina, vatana, fanahy

Fahendrena no iriko
Fa izay no fifaliako
Tsy atakaloko an’iza
Na maraina, na hariva

Na ny alina hatory
Dia tsy misy ahiahy
Foana koa ny sorisory
Satria ny zanako tia ahy

Tiako foana izy dahy
N’inona n’inona hidona
Vonona aho ny hiahy
Tsy hivena tsy hirona

Harena lehibe tokoa
Tsy atakalo, tsy amidy
Tsy ananam-paharoa
Voninahitra no adidy

NARITSIMBA
OKTOBRA 2006
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
3509 1
Mpakafy: Fiffi
Hevitra mandeha
Fiffi ( 26/10/2006 05:55)
Tsy hitako zay hambara fa ny fo no aoka hilaza ! Ny fahitana ity tononkalo ity ,
Hita fa tena tia
Tena tiako be ny tononkalonao ry Naritsimba fa tohizo hatrany an ! feno hanatra sy modely ....
naritsimba ( 27/10/2006 14:45)
Misaotra Fiffi an!
Aino ( 28/10/2006 18:14)
misaotra zokilahy fa mafinaritra be ahy ilay izy.
ledada ( 16/11/2006 10:36)
i Naritsimba any @ tchat ihany v io sa mba anarana sendra nitovy fotsiny ihany e! manan-talenta...tohizo fa tsara b eeeeeeeeee!
naritsimba ( 20/11/2006 08:29)
misaotra r'ise ledada ah!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : naritsimba
Nampiditra : naritsimba
Daty : 26/10/2006 05:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153