VELOMA...R'ILAY NOTIAVIKO (naritsimba)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“Fanaovam-beloma an'i RV"

Toa volana tantely
No niainantsika roa
Nandalo vetivety ireny
Ka tsy hanam-paharoa

Nahasahiako nilaza
Ny fitiavako indray
Nifankatia toy ny zaza
Ny fontsika nifandray

Feno antsika ny tanana
Ny tora-pasika madio
Ireo lala-migodana
Niarahana niriorio

Nasehontsika ilay fitia
Latsaka anaty tao am-po
Vonona ny ho doria
Hiara-dalana tokoa

Asa anefa rahoviana
No ho tanteraka izany
Fitiavana ela nihafiana
Hotohizantsika hatrany

Saingy indrisy fa nalazo
Nilofika raha vao nitsiry
Fitiavan-tena no nandavo
Ilay fitiavana nikiry

Veloma sy masina ianao
R’ilay olona notiaviko
Veloma ry olona nandao
Izaho hibanjina ny ho aviko

Izory izato lalànao
Izaho aza jerena intsony
Ny amiko sy ny aminao
Maty fa tsy hoe natory.

NARITSIMBA
mai 2008
--------
Rohy:
3095 1
Mpakafy: thierry5
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : naritsimba
Nampiditra : naritsimba
Daty : 05/05/2008 13:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143