Fifanenana (Nary)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay tena tao am-pony tsy fantatro mihintsy
tsy haiko nozahana
fa teo an-tenantenana làlana mahitsy
no nifanenana...
izaho, izaho irery
izy, izy irery...

Vao teny lavitra izy dia hitako nijery...
dia mody tsy nahita...
Angamba tsy ampy hery
hiatrehana ny ditran'
ny masoko tsy niery
variana fa voasariky
ny toetra mifangariky
ny haingo tsara voatrany
sy ny hena-tafahoatrany...

Naleoko dia nahisaka ny zotran'ny fijeriko
kanefa ny eritreritro
tsy nety fa nanaraka ny aloky ny fihetsiny
dia tsinjoko fa resiny
ilay saika nampivena
fa saika nahatonga ny tongony hifamingana...

Fa nony nifanena
ka samy efa lasa indray na indroa mandingana
dia niherika aho hijery, nanodina ny lohako,
tsy nanampo hoe izy nitodika talohako!
Dia samy vahobahotra...
dia samy niahotrahotra, voatery hifampijery, tsy nahaleo ny herin'
ny saina tsy voafehy...
dia samy te-hihomehy...
dia samy lasa indray...
dia izay!
--------
Rohy:
1793 0
Hevitra mandeha
kally ( 11/05/2005 17:27)
Mhm! Mety hisy tohiny ve?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nary
Nampiditra : mamonjy
Daty : 20/01/2004 09:06
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095