You are here: home > Vetso

Takariva menakely - Natita

Azo vakiana?

Iny hariva iny,
nisy maso nifanena
Nifampibanjina matetika,
jery roa nifampierika

Iny hariva iny,
nisy fo anankiroa
Nifampidoboka tsy tana,
tempo mafy manadala

Iny hariva iiny,
teny amorotsiraka iny
Tia sy tiana iray sento,
hiaradalana hiventso :" Fitiavana"

Iny hariva iny mantsy,
teny amorotsirak'iny
Fifaliana aok'izany : "tsikitsiky sy hanihany"

Iny hariva iny,
niala sasatra ny andro
Menamenam-pitiavana,
ilay takariva ninamanana

Sokajy : Fifaliana, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Natita

Nampiditra : Natita
Daty : 19/01/2015
Mpamangy : 765
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Hafatra
Tsarovy re olona!