You are here: home > Vetso

very ny asako - ngidin'ny fiainana

Azo vakiana?

tovolahy izaho ka manontany
hoe anao ahoana aho any aorina any
tovolahy jejojejo ve sa miraraka amin'ny tany
sa vo treromina dia taraina sy tomany
lahy aho ka miaritra ,na mangidy na mamy
tsy mahalala izany aho ,ka miantso mpaminany
mba te hanana andraikitra tsy hilatsaka ambany
indrisy fa nofinofy ihany aloha izany
satria atreto ,aloa ny vola lany
lanin'ireo rendrarendra sy aniany
raha mahita asa ianao dia antsoy aho akàny
satria very asa aho ka miosona a......ny
  

                                          mpanoratra "ngidin'ny fiainana"aza fenoina ny banga            azafady
                    

Mombamomba

Mpanoratra : ngidin'ny fiainana

Nampiditra : fanniechou
Daty : 12/08/2013
Mpamangy : 868
Mankafy : 0