You are here: home > Vetso

VAVAKA HO AN ‘ ILAY MALALAKO - Ni..! (RPR)

Azo vakiana?



Nivavaka aho ! ....................nivavaka ho anao
Fantatro!....fa sarotra aminao ny miala ny isan’andro
Tsapako fa olana ho anao ny mety ho anatranatro
Ka dia….nivavaka aho ho anao
Fa ndrao dia mba izany no mety hampiova izato toetranao
Tapitra fivavako ny hadalanao
Nandohalika aho velona taraina
Ary dia niandry niandry ‘lay maraina
Ho andro vaovao ho ahy sy ho anao

Saingy indrisy ! tsy mbola niova ianao
Marina tokoa fa sarotra dia sarotra ny manavao fo
Nefa ! iangaviako indrindra ry Ray ao ambony
F’ianao no mpandrindra k’havaozy ny fony
Fa feno fahasemporana ny fiainana tontolo
Ray o ! izy ilay mpigoka ataovy ampy azy ny ranon’katsembohany
Izy ilay mpifoka e ! ataovy ampy azy ny rivotra ‘zay fohany
Ray o ! ireo rehetra filany mitady handavo azy
Aoka re hifonako e ! hifonako mandady
Afaho ty zanakao adaladala kely

Ray o ! na dia tsy izy aza no tonga mitalaho
Dia aoka mba ho ampy hentina hanadiovana
Ny ho avy manontolony izato tonombavako
…ary ny zavatra iriko dia ! ! ! hahay hiantso sy hitsaoka anao izy
rahampitso vao mipososaka vantany mitsidika eny antsinanana eny
ny masoandro mibaliaka ho tonga fahasambarana hiadananay
Ray o ! izany no fivavako , VAVAKA … HO   AN ‘ ILAY    MALALAKO

madiva harivan’ Ni..! 25 Avril 2003

Sokajy : fiainana, Fitiavana