Babonao poeta - Nikalo Kanto
Nanomboka namaky
nanonona ny soratro mangina tany anaty
ny molotrao mivetso fa sendra fanafody
fisindàn' ny sentosento sy ny ratram-pijaliana
ny fonao efa sasatra nitia nefa tsy tiana
nandroso ny fotoana
fa io ianao nanaraka ny kaloko eny foana
namaky, nankafy.....
Niezaka namafa an' ilay tiana fa tsy tia
Namafa ny alahelo
Nitsiky sy nifaly tamin'ny soratro ankitelo :
"Mionòna", "mitrakà" , "mahaiza maka lesona"
fa tsy vitsy teto no rendrika sy niesona ...
tamin'io fitiavana io
Dia niezaka nitraka
nampitony fo ianao na efa lalim-paka
ny zava-nifanesy
Fa tanjona tratrarina ny zoto mba handresy
ny ferim-pijaliana
ka vonona hanadino ny ratran' olon-tiana
Vonona hiova laka
fa tojo fanafody tsy andairana mpandratra
ny fonao amin'izao
ngamba ,vokatrin'ny soratra
Ny fery no nikatona , fa ny fo indray no nisokatra
Hoe hiova dika iray
"Koa ity POETA kely no hotiavina indray".....
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Nikalo Kanto
Nampiditra : kanto01Daty : 12/04/2019
Mpamangy : 325
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tantaranay roa kelyFitiavana sy soratra
efa sambatra izy...
Tso drano
Embona
Fahatsiarovana
tsy hampaninon'azy