You are here: home > Vetso

Avelao - Nikopol

Azo vakiana?



Sokajy : ahy, Fitiavana, manokana

Hevitra mandeha

bichette (30/06/2005 15:18:59)

kay ! marary be mihintsy izany , aza mba manody ny comme ca

chipie1 (02/07/2005 11:46:05)

mijadojadona be le tononkalo , otrany oe mangarika be zany ...!!!lol

nikopol (03/07/2005 11:29:05)

lol

tia2005 (01/08/2005 11:46:45)

kay mahay zavatra mampalahelo toa izao koa enao ? ilay mampiomehy ihany no tsara ê!

andrysecabi (12/11/2005 17:30:13)

Tsy avelao

Sanatria koa valifaty matory
Fa ny fo no efa kila

Saina tsy maharesy fo nanambara "Tsy avelao"

Ilay torim-pitia bila
Namaliany ahy

Notohanako hoe "Tsy avelao"
Marain-tsy hariva nampandry adrisa
Teniko "Tsy avaleo"

Ratsin'ny lasa, ny hoavy hitanisa
Velively izany tsy ampy anao

Tsy ampy ahy raha hatreo

Ranomasoko mandoro tava, talaho nahafola-dohalika
Tsia hoy aho "Tsy avelao"

Manaintaina noho ny rova may ny eritreritro ao an'efitro

Mbola tsy vita ny amin'iny
Ny hoavy no hitondra tsiny

Tsy nomeny akory na izay tsy noheveriny ho sahaza

Na io tokikiny io aza
Hamafisiko "Tsy avelao"

Tsy avelako ianao...
Ry foko, mandrakizay aza avela, hankahalao...

nikopol (15/11/2005 18:27:48)

misaotra andry an

Hametraka hevitra

Midira aloha