alahelo (njaf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tomany anao ny foko
dia lasa toa tsy nahy
nandrafindrafi-teny
dia zary toa tsaroako
ny niainantsika rehetra
teny rehetra teny
sy hatramin'ny fahakely
ianao lay zazazaza
mbola nibadabada
ianao lay zandry kely
tsy mbola mahay miteny
... dia teny mantsy teny...
dia lasa ny fotoana
ianao nitombo taona
f'izaho toa zaho ihany
nifankahazo isika
sy nifananihany
dia zary latsa-paka
sy toa nahazo faka
ny fifankatiavantsika
ka ny namana rehetra
raha vao nahita antsika
dia toa nitsiriritra
tsy vitsy tamin'ireny
no mba nanipy teny
fa mba maniry ho eny
kanefa tsy mba sahy
fa velon'ahiahy
ka toa nangahiahy
dia nolalovantsika
sedra maromaro
sy ola-mifangaro
dia nolalovantsika
tsiky tsy mba ritra
fijery toa mampita
fifankatiava-mamy
sy toa tsy mety lany
kanjo tampotampoka
nisy rivotra hafa
nipoaka dia nipaka
ka toa nahazo faka
nisavorovoro teny
dia ianao nilaozan-teny
ka na ny masontsika
raha toa ka mifanopy
dia toa mitsilopilopy
isika rahateo
raha toa ka mifanena
toa zary mihenahena
fa ny ahy ny faniriako
ho nofy ratsy izany
ka toa mandalo ihany
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Aingam-panahy
1285 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njaf
Nampiditra : njaf
Daty : 19/09/2006 06:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137