You are here: home > Vetso

Ny fitiavana rahavako - Njaka

Azo vakiana?


(Atolotra an'i Malalason mpakafy)

Ny fitiavana rahavako , toy ny rano mikoriana
Mikoriana avy amin'ny tavako , hatsembohan'olo-tiana
Toy ny rahona miserana , mambabo izany fo adala
Nefa kosa mety hamelana , raha tsy misy mahalala.


Ny fitiavana rahavako , tsy natao anao irery
Na vidiana sy atakolo , ka tsimponina eny ho eny
Fa alaina avy amin'ny fo, borahana amin'ny olon-tiana
Ampidirina ao an-doha, hampizara fifaliana.

Ny fitiavana rahavako , misy fo sy manan-tsaina
Manan-toetra tsy azo avahana , toy ny zava-manan'aina
Ny horokoroka mangina , Ny fotoana maro very
Moa mba nisy moa ianao , raha tsy teo angamba ireny ?


NJAKA

Hevitra mandeha

Malalason (05/11/2004 13:44:02)

De misaotra betsaka an'se aloha e !! tsy nampoiziko hoe hisy hanoratra tonon-kalo ho ahy faly aho, any andro mbola mety ho tazan'se ny tavako ity ny télko 033 14 607 25 de mirary soa.
R. JO

bidou (29/11/2004 17:57:49)

tsara fa tena be sentiment loatra indray ka mampitomany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Njaka

Nampiditra : jeroma
Daty : 02/11/2004
Mpamangy : 1599
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

Tia anao tanteraka aho
Sitrapon'iza?
Babonao