Tia anao tanteraka aho (Njaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia anao tanteraka aho
(Atolotra an'i Mlle DITY )

Tia anao tanteraka aho , tamin'ny ora tsy nampozina
Tia anao tokoa tokoa , ny fitiavako voapoizina
Tia ny momba anao rehetra , na fijoro na famindra
Na fiteny na fitsiky maharenoko ahy indrindra



Tia anao tanteraka ho , tamin'ny kisendrasendra
Tia anao madiodio fa tsy misy rendraredra
Tia izato molotrao ,toa raozy menafify
Tia ny laingon-tavanao , toy ny perla manify


Tia anao tanteraka aho , eny tia dia tia dia tia
Efa tia sy mbola tia , ary tia anao doria
Tia anao tanteraka aho , ary izany dia tsy tantiko
Fa miredareda loatra ny fitiavako ato anatiko

NJAKA
--------
Rohy:
3018 1
Mpakafy: hjravs
Hevitra mandeha
Malalason ( 29/10/2004 12:40)
slt enao! tsy hitako intsony zay lazaina fa tsara mihoatra ny tokony ho izy ny tononkalon'se de mirary fahombiazana e!!
"tia anao tanteraka aho" iza no nandrombaka izany teny mamy nataon'se zany? sa i Mlle DITY ihany sambatra izy raha izany
R. JO
nyeja ( 31/10/2004 12:37)
tsara fa tohizo, manentana fo ny sanganasanao, tsotra nefa mahalaza izay tiany lazaina, ankasitrahako ny sanganasa toy itony ary tsy aritro ny tsy hanome ny hevitro manoloana ny teny tsara .
Ny Eja
zakilinina ( 01/11/2004 22:30)
Tsara sy mampientanentana.
Tsikera : aza maikamaika fa diniho tsara ny tsipelina.
Malalason ( 04/11/2004 12:47)
tsy ny tsipelina no omena naoty fa ny hevi-dehibe fonosin'ny tonon-kalo
mazava?
R. JO
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njaka
Nampiditra : jeroma
Daty : 29/10/2004 08:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146