HAFATRA HO ANAO (nofinofin'ny saina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRA!!!



Rehefa maty aho.......!

Hiangaviko ianao,aza sorisory
Rehefa maty aho, aza mitomany
Aleo hangina foana,fa tsy reko akory
Ireo tolokonao, aleo hangina ihany.

Ireo masoko ireo,hiangaviko ihany
Aza ahirinao,aleo hipitrapitra
'Reo lasako rehetra,izay nampitomany
Onjan-dranomaso izay tsy mety ritra.

'Reo ranamosonao,tehirizo koa
Aza misy avela hipatraka amin'ny tany
Ny tsiaroko efa lasa,lasana avokoa
Ka mety tsy hahita,ka tehirizo ihany.

Aza asina voaly, ny zoro firarazana
Na dia lamba fotsy hanarona ny tratra
Aleo hangaiahy ny sisa izay tsy tazana
Aleo hibaribary,ty foko izay maratra.

Hiangaviko koa,ento any aminy any
'Ty diary ity, hapiononana ny fony
Ambarao Azy fa tsiky sy tomany
Rehefa maty aho dia tsy hitia intsony.

Ambarao koa ireo rehetra lasa
Hiangaviako ihany, mba hiangaviakko koa
Ny lasa niarahana, madio efa voasasa
'Zay no hafatrafatro,Izaho efa tsy hifoa.
Rehefa maty aho...........
Aza mitomany...............
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana - Alahelo
1563 1
Mpakafy: tojoninofy
Hevitra mandeha
tojoninofy ( 21/12/2015 13:24)
Rehefa maty aho dia mba vakio ho ahy ity tononkalo ity!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014