INY ILAY TIAKO. - nofinofin'ny saina
Azo vakiana?
Hitako iny ianao
mandeha tsy taitra akory
mamonjy ny fodiana,
sondriana milalao
toa olona tsy ory
fa variana dia variana
Iny lalana iny
lalovanao isan'andro,
tena tsara vintana
harivarivan'ny vahiny,
Raha dify ny masoandro
ianao indray no kitany.
Lasa sahisahy
raha sendra mitanila
ny varavara-keliko,
resy ilay fanahy,
ka ny rorako aza
saika tsy voateliko
ilay tiako
saika ho tiaviko.
Natsisinao ho ahy
ho sombim-pifaliako,
'lay tsikinao mangina.
Afaka ahiahy
'ty nofoko malemy,
fa sendra fifaliana
NOFINOFIN'NY SAINA
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : nofinofin'ny saina
Nampiditra : tojoninofyDaty : 10/06/2015
Mpamangy : 1329
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RAHAMPITSOHAFATRA HO ANAO
ADY RARINY
TAKARIVA!
ERITRERITRA!
SORATY IHANY
TSIKY INDRAY MITSIKY!
ANY HO ANY MISY FO...
ZANDRIKELY!
ITY PENIKO MISOSA