ITY PENIKO MISOSA (nofinofin'ny saina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity peniko misosa, mikorisa tsy mijanona,
mampanembona tsinahy , ndeha hanafatr'olomanina
F'indro eo ampamakiana no tsaroany ilay nanoratra,
Dia ilay poeta adala, mirediredy anaty soratra.


Ity peniko misosa, misasasasa sy hanafatra,
'ndeha ampita sy hilaza ho an'olona tsy fantatra.
Ireo nofiko rehetra 'zay mitety ny habakabaka,
'tanaty alina mangina sy tontolo iray miavaka.


Ity peniko misosa, mampirakitra ny lasa,
dia manoratra ho anao, ireo lasa tsy voafafa.
Ireo tantaran'olon-droa sy tantara manan-daza,
dia soratany daholo eny hatramin'ny fahazaza.


Ity peniko misosa, dia andeha hanala trosa,
ho an'olona ambony sy ho an'ireo olo-tsotra,
n'iza n'iza tsy zovianafa androratany daholo
na hatrany ambonivohitra eny hatrany ambanivolo.
Dia mikorisa tsy mijanona ity peniko hampalala,
hoy indrindra ity mpanoratra, dia ilay poeta adala.

Nofinofin'ny saina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1480 3
Hevitra mandeha
z'andrygasy ( 13/06/2015 16:22)
Mahafinaritra fa areno ny tsipelina:dia mikorisa ity peniko hampahalala, tsy nahy, tsy zoviana hampita. Andalana 4, izao no mety
Ity peniko misosa, dia handeha hanala sorisory.
Hamohafoha an'ireo mbola matory. Misaotra
z'andrygasy ( 13/06/2015 16:30)
Mazotoa manoratra lesy fa zaho tsy mahay mampiditra tononkalo, tena tsy mety tafiditra
z'andrygasy ( 15/06/2015 17:40)
Z'ANDRYGASY lesy mankafy anao, isan'ny tiako ny tononkalo mahasika ny poeta
tojoninofy ( 16/06/2015 15:07)
z'andrygasy fanampina no ilaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : nofinofin'ny saina
Nampiditra : tojoninofy
Daty : 11/06/2015 14:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145