You are here: home > Vetso

RAHAMPITSO - nofinofin'ny saina

Azo vakiana?

Eny, rahampitso, raha tianao;
Hisy fiadanan-tsaina, hisy fanajana Zo
Hisy fanajana sata, hisy fitonen'ny fo.
Hisy fahafaha-miteny azo atao an-kalalahana
Hisy hira hanakoako ao anaty fahafahana
Hisy tana-mifandray, mifampitohy mandavan-taona
Hisy koa firahalahiana, indray mitraka, indray misaona.

....  .... .... ....

Eny, izany no ampitso!
Fa ny anio dia mila sandry hamadihana ny bainga
Tsy maintsy mila herin-tsaina anoherana ny lainga
Vao ho teraka ny ampitso

....  ....  ....

Tsy maintsy misy mandry fotsy
Tsy maintsy misy alim-potsy
Tsy maintsy misy fihirizana
ary saina tsy mba vizana ...
               Vao ho teraka ny ampitso!!!

Sokajy : Fiaraha-monina