Divorsa (Nofy2)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
eto am-bavahady, eto aho no mijoro
mandinika ny foko tena torotoro!
sakodiavatra aho,handona izato izy
nefa tsy maintsy atao satria izay no safidy
naforitro ny tanako dia nandondona mora
tsy naharitra ela akory, iny ianao dia tonga
"mandrosoa ianao" nampianao tsiky kely
ny masoko amin'izany mila tsy hahajery
tsaroako ny fahiny rehefa niditra aho
ireny sangisangy niarahana nanao
tetsy ilay latabatra rehefa be ny asa
tero ilay fipetrahana rehefa mba mitafa
nyy firafitry ny trano tsy dia niova loatra
fa nisy fihatsarana hita fa nivoatra
ny saritsika ihany no hita fa tsy teo
angamba tsy te hierika fa tofoka sy leo
"mahazo toerana dia ity ny taratasy
ny anaovanao sonia avy atsy ambadika atsy"
navadiko ny pejy, noraisiko ny penina
indrisy ny amintsika tsy nisy fiala-nenina
misaotra hoy ianao, noraisinao ny tanako
ny vesatry ny foko hila tsy ho zakako
"veloma mandrampihaona e" toa faly izato fony
indrisy ny amintsika fa tsy mpivady intsony


Nofy2 06 Octobre 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fitiavana
707 1
Hevitra mandeha
hery ( 07/10/2021 17:56)
Indrisy :-(
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 06/10/2021 16:40
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107