Hanambady ianao? (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanambady ianao?izao no ataovy an-tsaina
Io ampakarina io tsy azonao ovaina
Na hanao ahoana ny fiainana any aoriana
Na dia farary lava tsy azonao ariana

Hanambady ianao?mba fantaro aloha
Tsy maintsy misy foana ny mendrika sy soa
Ny tsara tsy mba lany, tanora hisy foana
Ny vady re fanaja na mandroso aza ny taona

Hanambady ianao?kanefa etsy ange
Ny ao an-tokatrano fiahafiana ramose
Tsy moramora mantsy fa mila fandeferana
Ny sitrapon’ny tena io no aoka ferana

Hanambady ianao? Tsy io no iterahana
Ka raha tsy mahazo dia hanao ny fisarahana
Fijangajangana irery, io ihany no alalana
Ahafahanao miala manova izato lalana

Hanambady ianao? Adidy no miandry
Manomboka ny andron’ilay mariazy
Eo vao tena fiainana no atrehinao
Raiso am-pahamatorana fa io tsy kilalao

Raha hanambady ianao?aoka mba hiasa
Hanana ny ampy fa tsy ho velomin’ny hafa
Raha toa ny vola tsisy ao an-tokatrano
Ho hitanao tsara fa tena tsy angano

Tsy vitan’orokoroka io na ny teny mamy
Tsy mba mora lesy izany manambady izany
Koa saino kely aloha izay rehetra atao
Fa raha hanambady ialahy, miomana dia eny izao

Nofy2 31 Mai 2016
--------
Rohy:
2232 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 11/07/2018 19:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101