You are here: home > Vetso

HATREO - Nofy2

Azo vakiana?

Ataoko fa efa ampy ny tambitamby omeko
efa feno koa ny aretim-poko sy ny sentoko
raha mbola hitanao fa tsy mahafa-po
aleo aloha faranana amin'izay andriamatoa

angamba tsapanao tsy nisy izay tsy vitako
be dia be ny tia fa dia narirandrirako
nataoko avokoa izay hitako fa nety
vao maika nefa ianao namotika ilay fefy

izay rehetra halanao dia halako ihany koa
ireo nankafizinao, notiaviko ao am-po
ny sitraponao rehetra narahiko avy hatrany
kanefa zava-poana izay rehetra izany

ka vizaka ny foko mitia anao rahavako
reraka ny saiko, irery ny fitiavako
hibanjina ny fiainako aho fa efa be ny vita
aleo ianao mandeha, hatreo ny amintsika

Nofy2
07 Mars 2019

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Nofy2


Nampiditra : nofy2
Daty : 23/08/2020
Mpamangy : 147
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

HAFA IHANY
Aoka izay
ato an-tranoko ato
Rehefa hanambady
Meteza
Rehefa
ny vady aman-janako
ahy ny fiainako
Ny vola
ny tokantranotsika