HO INONAO (Nofy2)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho inonao moa izaho rehefa izay no hevitrao
Ka hitanao fa mahasoa amiko sy aminao
Tsy maninona tsy akory, eh!ataoko ahoana moa
Izaho tsy afaka hanery na handrara ihany koa

Ho inonao moa ny ataoko sy itondrako ny fiainako
Tsy misy idiranao intsony eny na dia ny fisainako
Na ny alahelom-poko na ny ho aviko any am-para
Tsy mila fantatrao izany, aoka ho mazava tsara

Ho inonao izay manjo ahy na voaratra aho na tsia
Na efa misy miaraka amiko mifampizara ny fitia
Aza saro-piaro intsony efa nifarana ny dia
Ajanony, atsaharo, tena ataovy sanatria

Nofy2
10 Octobre 2014
--------
Rohy:
2400 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 14/05/2016 13:27
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101