ny tokantranotsika - Nofy2
Azo vakiana?
hoy ianao tamiko
« efa atsy ho atsy dia ho feno 10 taona ny tokantranotsika
dia tsy hitahita
ireto zava-bita
sy izay efa naorina nandritra taona maro
ny tsiky sy alahelo izay efa nifangaro
ny olana nisesy, vahaolana tadiavina
sarotra nodiavina
kanefa hoy ianao
ireny rehetra ireny vao maika nampitsiry
nahatonga ity foko, hamikitra, hikiry
ho tia anao hatrany, hanaja anao rahavako
tsy hivadika amin’ny voady naloakan’ito vavako
na inona sedraina
na inona taraina
hitranga amin’ny ho avy
na tena mafy ny ady
na vola be miraraka
tsy ataotsika hampisaraka
ireto zanatsika
no reharehatsika »
nisento lalina aho naheno an’izany
fa tena teny mamy
no enoko androany
ny tahotry ny ampitso tsy tsapako intsony
ny tebitebim-poko efa tena tony
Nofy2 07 Novembre 2017
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Nofy2

Nampiditra : nofy2
Daty : 04/05/2019
Mpamangy : 421
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
HAFA IHANYHATREO
Aoka izay
ato an-tranoko ato
Rehefa hanambady
Meteza
Rehefa
ny vady aman-janako
ahy ny fiainako
Ny vola