TAITRA - Noëlson L. ANDRIANIAINA
Azo vakiana?
Andro maromaro
Endrik'olona mifangaro
Mivezivezy eo imasoko
Toa tsy nahasariko ny foko
.
Tsy hoe dia variana
No tsy manan'olon_tiana
Fa mbola tsy faniriana
Izay mba nosafidiana
.
(...)
Fa tamin'ity hafa kely
Fa manjombona tsy nahateny
Nisy zavatra nahataitra
Fa nidoboka ny fo tsy laitra
.
Nisy zavatra niavaka
Nanaitra ny fitiavana
Dia ilay endrikao ireny
No nataoko tsara jery
.
Fa nandona ny tao am_poko
Nampitombo ny toloko
Ilay endrikao tsara loko
No nampifoha ilay fitiavako
.
Dia nanjary taitaitra
Ilay fitia tena raitra
Miteny aza matory
Fa ialaho ny mahory
Mombamomba
Mpanoratra : Noëlson L. ANDRIANIAINA

Nampiditra : Noëlson ANDRIANIAINA
Daty : 07/06/2016
Mpamangy : 908
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RafahafatesanaI NENY
HAFATRA
TANINDRAZAKO IANAO
MANDEHANA
TENA MALAGASY
INY ALINA INY
TOMANY
MIHOSIN_DRA
VETSOVETSO