ANTSO AVO ( nosoratana niaraka tamin'ilay tononkalo "Enjana ity covid ity" (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTSO AVO...

Ry Malagasy maneran-tany,
Izaho dia olon-tsotra ihany.
ANTSO AVO no ataoko androany,
Raha mbola misy any ho any....

Olona vonona hanampy,
Ireo mpiray Tanindrazana Malagasy.
Betsaka ny marary, misy koa ireo  maty !
Sahalamin'ny miandry, izay ho fipoakan'ny basy !

Fantatra fa be, ny tsy te hanampy intsony,
Efa nanampy be fa tsy nahita vokany ony.
Fa mbola  maro koa ireo  tia tanindrazana,
Mafy loatra e ! Tena henjana sy mazana !

Isan'ny fotoana izao tokony hiraisana hina,
Hanaovana izay azo atao, izay azo hanampiana.
Tsy misy fifanerena, tsisy  fifanomezantsiny,
Fa izay vonona ihany no aoka hanao izay iriny...

Isaorana ireo mandray andraikitra amin'ity ady mazana,
Na ny fitondrana, na olontsotra tia tanindrazana,
Atao angamba fa tsy hifampialona isika,
Fa isaorana daholo izay rehetra mahavita !

NOSY MALALA
Aprily 2021
--------
Rohy:
537 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144