Fidiran'ny mpianatra, - Nosy Malala
Azo vakiana?
Fidiran'ny mpianatra,
Firy firy moa izao,
Ireo raiamandreny mitalao.
Fa tsy manana atao,
Amin'izao fidirana izao.
Samy miezaka avokoa,
Mitady izay mba hahasoa,
Aleo sekoly tsy miankina,
Saingy tena mahatankina.
Maso mikipy angamba,
Raha tsy mahita ny zava mitranga,
Satria tsy tokontrano iray,
No mitaraina mikolay...
Dia hoy Ianao mamaly hoe,
"Tsy andoavam-bola ny epp,
Menomenona aza atao be dia be"
Ny tena tampidalankaleha.
Mahereza hatrany ry Malagasy,
Ny fianarana mantsy no vatsy,
Hanafaka amin'ny fanambakana,
Sy lova mendrika ireharehana.
Nosy Malala
Septambra 2021
Sokajy :
Aingam-panahy, Eritreritra mandalo, Fahantrana, Fampaherezana, fiainana, Malalaka, Tanindrazana
Mombamomba
Mpanoratra : Nosy Malala

Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 09/09/2021
Mpamangy : 305
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ZarainyHanam-bady
Misy lamozika
Iza ?
"MP"
Fetin'ny vehivavy
Fitia tsy mety ritra
Ny alahady
Iarivo tondradrano,
Ny Vavaka natao