FINDAY (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Finday,

Manjombona sy be ahiahy,
Ny foko raha tsy eo anilan'ingahy.
Ao raisiko kely dia safosafoiko,
Jerijeriko sy kolokoloiko.

Ireo mpitazana mitsiriritra,
Sady fisaka  Ialahy no tsara bika.
Hazoniko ny ahy fa tsy zarazaraiko.
Meva sy Kanto mantsy zato findaiko.

Vimbiniko hatrany na andro na alina,
Vao tsy hita Ialahy dia tena mahafanina.
Na andoavako vola tsy hinanako hanina,
Ialahy ry finday tena mahamanina.

Rehefa Izaho sy Ialahy miara dia,
Mahavita zavatra betsaka ery.
Mahita namana sy mahita tany,
Ny karazam-baovao tena aok'izany.

Na izany aza aloha aleo mitandrina ihany,
Tsy ho lanïko amin'ialahy ny androko androany.
Na manintona ialahy, na miantso ahy hatrany,
Ny tena fiainana  mbola, hafa ihany.

Nosy Malala
Septambra 2021
--------
Rohy:
720 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159