Fomba hafa (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fomba hafa,

Sanatria ve hoe, hiady indray isika,
Hiverina tamin 'ireo efa fahita ,
Handatsaka aina, handratra olona,
sa misy fomba hafa ahafaha-mitolona ?

Fifanevatevana tsy ananankavana ,
Mihevitra fa ny mahay vava no mazana.
Tsy tàna intsony ny fihetsempo,
Ny fisainana indray no tavela eo aloha...

Aleo entanina ny fahatokisana tena,
Tsy hanaiky intsony ho mora rebirebena.
Tsy izay mahay vava sy be fandaharana,
No isarangotana sy hifaharana.

Marina fa izay mahazo seza  tafita ,
Izany ve nefa no  hampitsiriritra ?
Fahaizana , fijoroana sy fahendrena,
No ilaina fa ory loatra ny  firenena .

Maro ireo fampianarana hatoky tena,
Ilaina, ilofosana toy ny fanatanjahantena.
Tsy azo moramora, mila miezaka mafy,
Ny vokany, no ho avin'ny zanaka amanjafy.

Raha samy mikiry ny tsirairay,
Hahatratrarana izay tanjona izay,
Ka na ho avy aza ny fifidianana,
Sanatria ho voavidin'ireo hoe mpanana.

Samia manentana ireo fampianarana,
Hahatoky tena fa tsy ho tohatra hiakarana.
Hijoro amin'ny marina, efa nisara nono.
Handray andraikitra , tsy ho voajono.


Nosy Malala
September 2022
--------
Rohy:
418 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151