Hanam-bady (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanam-bady,

Tapakevitra hanam-bady,
Hisafidy hanao  voady.
Handresy hatrany ny adiady,
Ka hibanjina ny ho avy.

Fanekena sarobidy,
Vonona hiatrika  adidy.
Ny fo sy saina  efa nifidy,
Fitiavana tsy voavidy.

Safidy, lahatra sy anjara.
Hifampikolokolo, hamela tantara.
Hiara hamboatra tontolo tsara,
Hikolokolo'reo zanaka amampara.

Hifanohana ny mpiaradia,
Mandrapikipin' ity maso ity.
Hiara hidola sy hiriaria,
Fitia haharitra ho doria.

Nosy Malala
April 2022
--------
Rohy:
501 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146