HAZO NOELY (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hazo Noely,


Vao iray volana izay,
No niarapaly izahay.
Fa nandravaka anao indray,
Nohaingoina toy ny ho mandrak'izay.

Faly ery ny ankizy na ny lehibe,
Milaza fa nandritra ny taona, hendry be,
Sao tsy mahazo kilalao amin'ny Noely dadabe,
Miandry ampitsikiana sy manantena be.

Na ireo sahirana aza,
Manantena miandrandra,
Manao izay mety ho an'ny zaza,
Fa ho tonga ilay andro malaza.

Soa fa misy ireo manao soa,
Mijery lavitra noho ny eo ambany loha,
Ka mandray anjara kely,
Mamalifaly, irak' anjely.

Mandalo daholo izany rehetra izany,
Na ireo nifaly na ireo nitomany.
Ny hazo Noely natoraly,
Lasa lavenona na tany.
Ny hazo artifisialy moa,
Avalona ho amin'ny herintaona koa.

Nosy Malala,
janoary 2021
--------
Rohy:
657 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162