Hiaradia (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiaradia,

Izaho sy ianao tapa-kevitra hiara dia,
Nivoady hifampitantana ho doria.
Hamakivaky iny lalana lavitra iny,
Hahita fiainambaovao, toy ny mpivahiny.

Ka na fifaliana na fahoriana,
Zakaina miaraka ny hazo fijaliana.
Satria mafy orina ny fitiavantsika,
Lavitra hakiviana sy lavitra ny ditra.

Ho olombanona tsongoin'olombolo,
Ity aho hanampy sy hikolokolo.
Raha sendra vizana etsy ho trotroiko,
Ianao ho sambatra no fanirin'ny foko.

Raha sendra fakampanahy na adintsaina,
Aza misalasala antsoy aho raha ilaina.
Tsy ho olona atahorana, ity vady tiana,
Fa namana hanampy, izay no faniriana.

Na lavitra ny dia, mbola hifampitantana,
Na anaty tsy fisiana, na anatin'ny fananana.
Hiara dia, na manjoko sy mitondra tehana,
Hiaradia ampitiavana sy ampamendrehana.

Nosy Malala
Septambra 2021
--------
Rohy:
616 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022