INONA NY LAOKA (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona ny laoka ?

Inona moa ny laoka omaly,
Tamin'ny Tonga teo levaly.
Saosety natao saosy ,
Izay no takatry ny paosy !

Inona ny laoka anio,
Azafady mba valio,
Ny ambiny omaly ihany,
Ny saosety mbola tsy lany.

Inona ny laoka hariva ?
Ny vary koa madivadiva,
Mety tsy ho ampy hariva intsony,
Raha tsy hoe angaha atao be rony.

Inona no laoka androany?
I Dada mantsy manontany...
Tsy laoka ny ao fa mangahazo,
Avia hanampy hamaofy voanjo.

Inona ny laoka ampitso
Fa hi sakafo eo RaTitso
Tsy aleo mba asiana hena ?
Raha misy mora any antsena...

Ary oviana indray vao mihinana ravitoto
Asiana henakisoa, za vonona hanoto,
Ka tsy ilay hanoto no olana manakana,
Ny henakisoa no tsy takatra re anaka !

Zara aza isika tsy mandry fotsy,
Ka na katsaka ny eo, aleo isaorana Jesosy !
Mafy anie ka mafy ny fiainana am'izao,
Aza mba marary fa tsisy vola hitsabona anao.

Nosy Malala
febroary 2021
--------
Rohy:
713 1
Mpakafy: Setrapujeya
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151