INY LALANA INY - Nosy Malala
Azo vakiana?
Ny lalana mankany aminay,
Ny lalana mankany aminay,
Dia tena mampikolay,
Dimy kilaometatra adiny iray,
Rehefa avy orana, very zahay !
Ny lalana mankany aminay,
Feno laodaoka manimba ny fiara,
Ka azafady re mba jereo tsara,
Fa Tena enjana ny ho avy any afara.
Ny lalana mankany aminay,
Ny filaminana tena tsy hay.
Manararaotra ireo jiolahy,
Tena ratsy loatra ny lalana lahy.
Nefa iny lalana iny...
No mitondra ny vahiny,
Mitsidika ny tananay,
Mividy ireo vokatray.
Iny lalana iny koa...
No handehanako raha toa...
Afaka fanadinana soa,
Hanohy fianarana any Fianarantsoa.
Iza no ianteherana amin'iny lalana iny ?
Tsy ny anay irery fa marobe ireo mandiny...
Andao hiray hina, hiara hietsika isika,
Handray angady miaraka amin'ny sobika?
Tsy mantsy mandroso ny tanànatsika!
Nosy malala
Janoary 2021
Hevitra mandeha
Rakotomahenina (21/06/2021 18:35:14)
tononkaloNM (24/06/2021 07:14:22)
Tsara be ilay fanontaniana fa eo indrindra isika izao. Isika mpamaky indraindray no endrasan'ny mpanoratra haminavina. Ilay "Nankaiza" n'i Dox izao dia tsy fantatra hoe aiza ilay tanàna fa dia hita ao an-tsaina ao fotsiny hoe ohatran'ny any ambanivohitranay any ilay resahany. Mirary soa ô !
Mombamomba
Mpanoratra : Nosy Malala

Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 21/06/2021
Mpamangy : 306
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Lavaka beZarainy
Hanam-bady
Misy lamozika
Iza ?
"MP"
Fetin'ny vehivavy
Fitia tsy mety ritra
Ny alahady
Iarivo tondradrano,