Iza ? (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza ?

Iza no filoha teto Madagasikara,
Rehefa nasorina ka voatery niala,
Mbola tafaverina hoe hanatsara,
Aleo ny tantara no hanambara...

Raha valopolotaona ny andro iainana,
Tsisy mangirana mihitsy ny fiainana...
Ireo filàna fototra ohatran'ny rafy,
Isan'andro dia miaina ambanin'ny miafy.

Ireny filoha ireny ihany no mbola malaza,
Omemboninahitra sy atao fata-daza.
Mahavory vahoaka any ambanivolo,
Tsy manantsiny  kanefa voajono !

Nosy Malala
Martsa 2022
--------
Rohy:
456 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215