Laharam-pahamehana (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Laharam-pahamehana,

Tovolahy kely roa,
Nahavaky fo tokoa.
Nantsoina hisakafo,
Nampilatsa-dranomaso.

Nivatsy haro kely,
Nipetraka nijery.
Niandry ny anjarany,
Ho entiny any antranony.

Izy ireo mantsy, dia noana sy mijaly,
Nandraraka anaty arokely ilay vary...
Atsasa-bilia... ho an'ny  any antrano,
Zava nisy io, fa tsy hoe  angano.

Ankizy iray izay , nisaoty lakilasy,
Izany ka mahay raha zaza malagasy,
Dia nitototo, nitady fanampiana....
Ny fitaovam-pianarana tokony vidina...

Nisy fanampiana indray, ankizy vitsy vitsy,
Ny fiainan'izy ireo, tena izany hoe tsy misy.
Dia nitsiky, nibaliaka izato maso,
Fa nisy nanome kahie, sy kitapo.

Antapitrisany izy ireo raha mahay manisa,
Efa antaona maro, izay nodiana tsy hita.
Sasa miandry fitondrana, hahatsiaro tena,
Hikolokolo ireto ankizy, ho avim-pirenena.

Ny mahatsikaiky, sy  tena mahaliana,
Adàlana sy ady politika, no tena mahavariana.
Sa ireny ve no loharanom-pandrosoana ?
Andaniana fotoana, nefa ny vahoaka noana !

Nosy malala
Septambra 2021
--------
Rohy:
489 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156