Mahaleotena ara-pietanampo (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sarotra ny mahaleo tena ara-pientanampo,
Marim-pitiavana ny miahy, manao salama koa.
Ka mahatsiaro tsy tiana raha tsy voavangivangy,
"Tsy hangataka amiko mantsy iny, hanaovako azy".

Marary ny fo satria hoe mierimpitia,
Aiza angaha ny havana sy namana tety ?
Tsy nandoka ilay sary navoakako ity,
"Tsisy ilaina azy, mpihatsara velatsihy "!

Tafintohina fa nangataka tsy nahazo,
Manenina ny soa natao, mararin'ny tazo.
Ny soa atao amin'ny fo anie tsy iandrasana valiny,
Sa izay ve, ilay levenam-bola hatramin'ny farany ?

Ny fahasambarana tsy ankinina amin'ny hafa,
Fahaleovantena ara-pientanampo tsy mandratra.
Safidy ny fahatezerana, raha tsy mahatohatra azy,
Ka manjary manakorontana ny mpianakavy...

Raha samy mahaleo tena ara-pientanampo,
Hibanjina ny ho avy, hanao soa amin'ny fo,
Tsy misy tsiny akory na tsy nivily izato izy,
Sady samy sahirana mikarakara ny ankizy.

Nosy Malala
Aogositra 2021
--------
Rohy:
519 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108