Nahoana (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana,

Nahoana ny foko no mitaraina hatrany,
Mandeha lava ny saina toa lasa vinany.
Nahoana angaha ireo havana any ho any,
No mijaly sy sahirana, mitoreo hatrany.

Nahoana ny tononkaloko no tsy sasa mitaky,
Mihika fahamarinana hatrany anaty...
Manentana ireo namana tsy ho ambakaina,
Mitaraina fahasahiranana miatra aman'aina.

Nahoana  ny aingampanahy no matetika lasa,
Mitsikera ireo mpangalatra tsy mety tratra.
Isoloina vaika  ny mahantra na tambanivolo,
Nahoana ngaha zareo no tsy mba voakolokolo ?

Ny fitiavana ve  no mahatonga izany ?
Satry ho resy ny tsy rariny eto antany.
Eny tiako Ianao ry Gasikara tsy foiko,
Tononkalo no hany amborahako ny ato ampoko!

Nosy Malala
Jolay 2021
--------
Rohy:
534 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152