Nofy ny hanadino (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofy ny hanadino,

Hitako antsaina ny hakantonao,
Mibitsika mangina ny ao ampoko ao.
Misary tongotra havia, mahamanina aoka izany,
Miravaka fahendrena sy harena ankibon'ny tany.

Varina aho mijery , ataoko fa tsy tsiny,
Ilay nitiaviko taloha, mbola tiako ankehitriny.
Ireo taona maro, izay nivalombalona,
Vao maika namikitra, ilay fitia tsy mialona.

Inona angaha no tsy ambaratelondry ?
Efa ela tsy nihaona, fa mitohy aho mankafy.
Mivavaka isan'andro, mba ho afaka ho doria...
Ho lavitra mpanararaotra, ity nosy mamy ity .

Raha marary Ianao, marary koa Izaho aty,
Voambaka Ianao, voadona koa ilay foko tia.
Sambatra Ianao, dia miarapaly sy mandihy,
Ankasitrahana daholo, izay manao soa andry.

Ahitana anjara zo ireo firenena lehibe,
Tsy lafatra, fa misy mahasoa maro be.
Fa nofy ny hanadino , ato ampo foana ise,
Ô ry Madagasikara, ho ela velona anie!

Nosy Malala
Septambra 2021
--------
Rohy:
818 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146