Ny Vavaka natao - Nosy Malala
Azo vakiana?
Ny Vavaka natao,
Na tsy mbola misy valiny, ny vavaka natao,
Dia mampitony sahady ilay fo nitalao.
Izay rehetra Irina moa, tsy hahasoa avokoa
Izy ihany no mandidy, mahalala ny mahasoa.
Ny Vavaka natao dia tsy ho very maina,
Ilay tao ampo naboraka, ampy andradraina.
Ndrao variana hiandry, ka tsy mijery tsy mahita,
Valimbavaka efa eo, tsy hitan'ny masontsika.
Ny Vavaka atao dia fisaorana lehibe,
Mahay mankasitraka, ireo soa maro be.
Toy Salomona, nangatapahendrena,
Nampianatra hoe, izay no tena harena.
Ny Vavaka atao, tsy dradradradraina,
Toy ny fariseo, miseho nefa malaina.
F'ilay mananontena nanome avy amin'ny Fo,
No nankasitrahana sady sitrak'i Jesoa.
Nosy Malala
Desambra 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Nosy Malala

Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 22/01/2022
Mpamangy : 293
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ZarainyHanam-bady
Misy lamozika
Iza ?
"MP"
Fetin'ny vehivavy
Fitia tsy mety ritra
Ny alahady
Iarivo tondradrano,
Maniry hilatsaka ho filoha