Tamberina, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamberina,

Nisy kalanoro hono tany ampianaranay,
Tamin'ny taona valopolo tany ho any izy izay.
Rehefa andeha hivoaka dia tena feno ahiahy,
Mbola velona any ve I Rakalanoro zay ?

Tsy kalanoro ihany fa biby olona koa,
Nampihorohoro, marina moa ramatoa.
Nivoaka gazety mihitsy aza ilay sary,
Ny tapany olona ny tapany soavaly.

Ny tsy nampatahoatra dia I Rapeto,
Lava tongotro be sady manefoefo.
Raikitra tavela tsy tafaverina intsony.
Saika haka ny volana ho an'ny zanany "ony" .

Ilay biby olona aloha tena nivoaka gazety,
Tena manadraba olona, tena mba tsy mety...
Aleo tandremana ihany ny vaovao tsy marina.
Vao maika mitobaka andro aman'alina...

Misy sary koa tsy afaka ato andoha izany.
Ilay harona milahatra teny amin'ny fokontany,
Fa inona daholo ireo? hoy za nanontany....
Efa tsy nanam-bary hohanina kay ny Malagasy tamin'izany !

Niovaova teny ny mpitondra fanjakana,
Tsy nisy vahaolana hisian'ny sakafo ara-dalana.
Izay mahazo toerana mamikitra tsy te hiala,
Mamy loatra ilay voninahitra sy ilay drala.

Fa ny Malagasy tsy mety kivy izany,
Miaritra foana, soloina tsiky ilay tomany.
Mbola ho avy ny andro hisian'ny farany ihany.
Ho an'ireo mpitsetsitra vahiny na malagasy teratany.

Nosy Malala
Jolay 2021
--------
Rohy:
565 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145